Ny "malaria" na antsoina hoe: " tazo" na "bemangovitra" dia aretina azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy antsoina hoe:"anophèle".
Ny mikroba mahatonga io aretina io dia ny "plasmodium".Ny olona izay tratra io tazo io dia mijaly toa sahala ny gripa mahery, miakatra avo dia avo ny hafanan'ny vatan'ilay olona, marary ny lohany ka toa aretin'andoha faran'izay mafy, manakotsako avokoa ny vata-tena sy ny vanin-taolana rehetra ka miaraka amin'ny harerahana sy ny fangovitana.
Aretina mety mahafaty izy io, ary areti-mandringana izy eto Madagasikara.


